Nidera manokana ny fitondram-panjakana sy ny filohan’ny Repoblika ny talen’ny departemanta Afrika, eo anivon’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena, i Abebe Selassie, teny Iavoloha, ny fiandohan’ny herinandro teo.
Anisan’izany ny nahatanterahan’ny fanjakana ireo asa marobe na teo aza ny valanaretina. Notsindriny koa anefa ny tokony hanamafisana bebe kokoa ireo ezaka momba ny fampandrosoana ny fambolena.
Etsy andaniny, voasokajy ho anisan’ireo firenena afaka misitraka « Fonds fiduciaire pour la résilience et la durabilité » avy amin’ny FMI i Madagasiraka. Anton’izany ny nananantsika ny lasitra eo amin’ny toekarena momba ny fiovaovan’ny toetr’andro. Natao hamatsiana ireo fanavaozana sata ahafahan’ny firenena manana fahafaha-miatrika bebe kokoa ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro izany vola izany.
Fametrahana ny fanjakana manakaiky vahoaka
Voaresaka teo amin’ny fihaonan’ny roa tonta ny fivoriana tombana andiany fahefatra momba ny Fec. Hodinihina amin’izany ny fomba fanatanterahana ny fandaniam-bolam-panjakana sy ny fijerena ny fampidiram-bolam-panjakana, indrindra ny momba ireo vola avy amin’ny mpandraharahan’ny solika.
Notsiahivin’ny filoha kosa fa nanamafy ny fametrahana ny fanjakana manakaiky vahoaka ny governemanta tao anatin’ny efa-taona. Eo ny fananganana fotodrafitrasa maro manerana ny Nosy : Sekoly sy efitrano fianarana, ny oniversite, ireo hopitaly, ny lalambe migodana voalohany eto Madagasikara ary koa ny fanombohana ny Pipeline Efaho.
Synèse R.