Tsaranazy Jean-Emile : “Ilaina ny tetezamita… “

“Ao anatin’ny antoko Are­ma aho. Ny fahitan’ny Arema azy: tokony hisy ny tetezamita, raha tsy vita ao anatin’ny fe-potoam-piasan’ny fitondrana amin’izao fotoana izao ny fanovana ny lalàm-pifidianana.” Io ny fanehoan-kevitry ny Jly Tsaranazy Jean-Emile. Azo atao izay fanovana lalàm-pifidianana izay amin’izao fivoriana ara-potoan’ny parlemantera izao.
Ilaina ny fitondrana tetezamita, raha vonona ny lafiny vola. Milaza ny fanjakana fa hahena amin’ny antsasany ny tetibolan’ny fifidianana. Tsy hihoatra ny 70 miliara Ar ny fangatahan’ny Ceni izay 145 miliara Ar izany. Ho tafavoaka amin’izany ve ny fifidianana? Na izany aza, 45 miliara Ar no voalazan’ny Ceni fa sora-bola ao amin’ny tetibolam-panjakana hanaovana fifidianana. Hataon’ny fanjakana 70 miliara Ar izay 45 miliara Ar izay, raha 145 miliara Ar no hangatahan’ny Ceni. Misy elanelana izany. Aiza no hahitana ny elanelan’izany? Eo amin’ny 70 miliara Ar homen’ny fanjakana sy ny 145 miliara Ar ilain’ny Ceni izany. “Aoka tsy hatao koropaka ny fifidianana, tsy maninona raha hirosoana ny tetezamita”, hoy izy.

R. Nd.

Partager sur: