Miverina indray ny vangabao ataon’ireo depiote amin’izao fivoriana ara-potoana eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza izao. Banga ny ankamaroan’ireo seza, hatramin’ny nanombohan’izany fotoam-pivoriana, herinandro lasa izay. Tsy nihoatra ny 30 amin’ireo depiote miisa 151 izao ireo nandany ny lahadinika, natao ny herinandro teo iny. Tsy nisy ny taratasy ara-dalàna maneho ny fialantsiny tsy fahafahana miatrika izany mba nataon’ny ankamaroan’ireo solombavambahoaka.
Etsy andaniny, mangina ny eo anivon’ny birao maharitra. Na izany aza, nilaza ireo depiote sasany fa mbola any amin’ny fari-piadidiana nahalany azy ny hafa. Sahirana amin’ny famahana olana ny sosialim-bahoaka. Eo koa anefa ireo tsy heno sy tsy hita, ankoatra ireo namita iraka any ivelany. Tahaka izany hatrany isaky ny mivory ?
Synèse R.