Farafangana : nidiran’ny jiolahy ny faritry ny oniversite

Natolotra ny fampanoavana ka naiditra am-ponja ireo jiolahy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fa­nafi­hana tao amin’ny Oni­ver­site Fara­fan­gana. Raha ny tatitra nampny polisy, ny 2 mey 2023 alina, tao Bevoa Fara­fangana, fokontany Mahatsa­ra Atsimo, na­hazo antso avy amin’ny tomponandraikitra ao amin’ny oniversite ao Fa­rafangana ny polisy fa misy olon-dratsy tafiditra ny faritry ny sekoly. Nidina haingana tao amin’ny oniversite ny poli­sy, voamarina tokoa ny fisian’ireo jiolahy nanafika tao. Nitsoaka ireo jiolahy raha nifandona tamin’ireo mpi­ambina ny oniversite kosa ny iray. Voatery niaro tena ireo mpiambina ka naratra ny jiolahy iray. Mbola tratra teny aminy ny baraminina sy tournevis ary fantsona efatra. Nentin’ny polisy namonjy ho­pitaly avy hatrany ilay jiolahy naratra saingy tsy avotra intsony ny ainy noho ny ratra mafy nahazo azy. Nitohy ny fanadihadian’ny polisy ka ta­min’izany no nahatrarana ireo jiolahy roa atidoha nikotrika ity fanafihana ity. Niaiky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny famotorana. Noha­mafi­sin’ny polisy fa jiolahy raindahiny ry zalahy ireto satria efa mpanao fanafihana mi­tam-piadiana amin’iny faritra iny.

Jean Claude

Partager sur: