Naiditra am-ponja… : lehilahy tratra nangalatra vary iray gony

Na dia noana aza ve…? Naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjan’Ambato­lampy ny lehilahy iray tratra namaky trano, tao amin’ny fokontany Ambanimaso, kaominina ambonivohitr’Amba­tolampy, ny faran’ny herinandro teo. Tafiditra tao an-trano tokoa ity jiolahy ity ka lasany ny vary iray gony 50 kg nipetraka tao an-trano. Lasa nitsoaka avy hatrany izy taorian’izay. Nahazo loharanom-baovao momba ity lehilahy ity ny polisy ka niroso tamin’ny fikarohana azy. Tratra teo amin’ny manodidina iny ihany raha nikasa hivarotra ilay vary. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Na­tolotra ny fampanoavana izy ka niafara tamin’ny fampidirana am-ponja azy ny alatsinainy teo. Fantatra fa tsy vao izao no manao ity asa ratsy ity izy fa efa hatramin’izay saingy izao vao tratra, araka ny fanazavany tamin’ny polisy. Nitondra fanentanana ny polisy mba hanome vaovao haingana ny mpitandro filaminana manoloana ireo tranga mampiahiahy satria tsy kely lalana ny ratsy ary tsy mifidy hangalarina intsony.

Jean Claude

Partager sur: