Miseho lany tao anatin’ny andro vitsy ny famakiana fiara kamiao mitatitra entana amin’ iny lalam-pirenena fahadimy iny. An-tapitrisany ny entana voaroba anatin’ireo kamiao lasibatra rehefa mandalo amin’ ny lalan-dratsy. Enina mianadahy voasambotra vokatry ny hetsika ataon’ny mpitandro filaminana.
Maka entana amin’ny gony hatramin’ny moto anaty kamiao, saron’ny mpitandro filaminana ny 6 mianadahy mpandroba anatin’ny lalam-pirenena fahadimy hatreo Antanambao Nosy Be, omaly. Mianika fiara, mitondra zava-maranitra ireo mpangalatra. Sokafan’izy ireo an-keriny ny kamiaobe mandalo. Alainy ny entana ka atsipiny eny amoron-dalana. Tsy afa-miala anefa ireo fiarabe noho ny fandalovana ny lalan-dratsy. Manoloana io tranga io, nanao hetsika manokana ny zandary tarihin’ny ny kaomadin’ny kaompania ao Toamasina sy ny lefiny, Lietnà Mangazafy Sacha Cyprienne. Nizara roa ireo ekipa. Vokany, efa-dahy voasambotra tao Foulpointe. Nahatrarana moto halatra tsy nisy taratasy teny amin’ireto jiolahy ireto. Mbola nisy fahitalavitra sy entam-barotra maro samihafa koa tany an-tranon’ny roa tamin’izy ireo.
Efa mpameri-keloka
Tsy mety fay, jiolahy vao nivoaka ny fonjan’i Toamasina ny taona 2020 ny roa tamin’ireo voasambotra. Efa ikoizana amin’ny asa fangalarana izy ireto. Nosamborin’ny manam-pahefana ary nentina atao fanadihadiana izy mirahalahy. Ankoatr’ireo, vehivavy iray hafa sarona tao an-tokantranony. Nahitana zerikanina mitotaly 210 litatra avy nasiana solika tao aminy. Nafeniny tany amin’ny fanariam-pako ny zerikanina iray 20 litatra. Lehilahy iray hafa kosa tra-tehaka. Tafakatra 6 arak’izany ireo voasambotra. Raha tsiahivina, ahitana fandrobana avokoa ny ankamaroan’ny lalam-pirenena amin’izao fotoana. Ankoatra ny RN5, lasibatra koa ny RN2, RN4.
Sajo/Tsiferana R.