Mirongatra ny herisetra noho ny olana ara-tsosialy isan-karazany. Anisan’ny mitondra ny anjara birikiny hoenti-miady amin’izany ny minisiteran’ny Mponina amin’ny fanohanana ny raim-pianakaviana.
Miditra an-tsehatra amin’ny ady atao amin’ny herisetra vokatry ny olana sosialy isan-karazany ny minisiteran’ny Mponina, tarihin’ny minisitra Soafilira Princia. Ankoatra ny fizarana ny vatsin’ankohonana isam-paritra, miditra amin’ ny fijerena akaiky ny olana samihafa mianjady amin’ny fianakaviana koa ny departemanta tarihiny. Maro ny tetikasa natsangana mba ho fiahiana ara-tsosialy ny ankohonana. Anisan’ny nomen-danja manokana ny lehilahy mandray andraikitra. Tohanana amin’ny lafiny maro ny loham-pianakaviana, ahafahany mamita ny adidiny. Antoka iray hisian’ny filaminan’ny tokantrano, sy ny hoenti-mampandroso ny firenena.
Mifanindran-dalana amin’ izay, mitohy ny fanampiana ny viavy miavotse mba hifameno ny ao an-tokantrano. Ho an’ny minisiteran’ny Mponina, tsy mijanona fotsiny amin’ ny fampiroboroboana ny vehivavy ny asa fa mivelatra amin’ ny ankolafy rehetra. Tanjona ny fiahiana ara-tsosilay mirindra sy afaka manome fahafaham-po ny vahoaka tsy an-kanavaka.ny lahy sy vavy miara-mientana rahateo no afaka mampivelatra ny ankohonany.
Fanapariaham-pahefana
Etsy ankilan’izay, anisan’ ny politikan’ny minisitra, Soafilira Princia, ny fanapariaham-pahefana tena izy. Manome lanja ny tomponandraikitra any amin’ny faritra izy, ho mariky ny fifampitokisana misy amin’ny fitondrana foibe sy ny ratsa-mangaika any ifotony. Manaporofo izany ny fisian’ny hetsika ataon’ny fitaleavam-paritra, andaniny. Ny iraka avy amin’ny minisitera foibe, kanefa vita araka ny tokony ho izy, ankilany.
Tsy mihanona amin’ny mpisehatra malagasy ny ministera fa mampiroborobo
ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny fikambanana iraisam-pirenena. Anisan’ny sehatra iray, ilofosany ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’ antoka teknika sy ara-bola.
Ankoatra ireo, anatin’ny fametrahana ny paikady, hanatrarana ny fanatanterahana ny veliranon’ny Filoham-pirenena izay tsy mbola vita izy sy ny ekipany amin’izao fotoana izao.
r.r