Tafika an-tanety : hisy ny fihaonamben’ ny Tafika Afrikanina

Notanterahina omaly, ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, nokarakarain’ny Africa Regional Media Hub. Ny mahakasika ny Africa Force Land Summit 2023, AFLS 2023, hotanterahina any Abidjan, Côte d’Ivoire no nampahafantarina nandritra izany. Mpitari-tafika avy amina firenena maro manerana izao tontolo izao, indrindra avy eto Afrika no niatrika izany valan-dresaka izany. Nitarika izany ny tomponandraikitra eo amin’ny Tafika amerikanina misahana an’i Afrika. Tanjona amin’izao hetsika izao ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Tafika Amerikanina sy ny Tafika aty Afrika, hiantohana ny filaminana eto amin’izao tontolo izao.
Hisy ny fihaonana eo amin’ny Tafika an-tanety eto Afrika, iarahana amin’ny Tafika Amerikanina, atao any Abidjan, Côte d’Ivoire, amin’ity taona ity. Lohahevitra voizina ao anatin’izany ny “Famahana ny olana momba ny fiarovana amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa sivily sy miaramila”. Kendrena manokana amin’izany ny amin’ny tany misy ady aty Afrika. Mpitari-tafika maherin’ny 35 isa avy amin’ny firenena Afrikanina no andrasana ao anatin’izao fihaonana izao. Eo ihany koa ny mpanohana sy mpiara-miasa sahala amin’ny tomponandraikitry ny Tafika Eoropeanina sy ny any amin’ny kaontinanta hafa.

Lin(Mpianatra asa)

Partager sur: