“Ny firosoantsika amin’ny fifidianana ihany no vahaolana raha tiantsika ny hampandroso ny firenena”, hoy i Soalihy Moussa, mpamakafaka politika eto Madagasikara, omaly, teny Ampefiloha. Nohamafisin’ity mpandinika ity fa tsy ilaina ny miroso mankany amin’ny fitondrana Tetezamita, satria anisan’ireo nampisy ny krizy izany.
Raha ny filazany, misy ny fifidianana eto amintsika ary tsy mitombina ny resaka hoe “tsy misy vola ny fanjakana”. Manao antso avo amin’ny vahoaka malagasy ny tenany mba hiray hina, tsy hanaiky ny Tetezamita.
Ankoatra izay, araka ny heviny, manana vina tsara ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry, saingy misy sakana tsy nahafahany nanao ny asa. Anisan’izany ny sakana voajanahary, toy ny aretina Covid -19, ny rivodoza… Mbola manantena ihany izy fa afaka mivoatra tsara ny firenena malagasy. “Aoka mba ireo olona efa manana traikefa no hitondra ny firenena fa tsy ho olom-baovao”, araka ny nambarany ihany.
Fitia (Mpianatra asa)