Tapaka hisatra sa mamo ? Namoa-doza ny fiara tsy mataho-dalana, omaly, teny Ampitatafika. Renim-pianakaviana iray maty, valo naratra. Saika nisy fitsaram-bahoaka !
Maty tsy tra-drano ny renim-pianakaviana iray, olona valo naratra, vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tetsy Avaratra tetezana Ampitatafika, omaly hariva tamin’ny 6 ora sy 56 minitra. Fiara tsy mataho-dalana iray nidina avy any Ambohimamory no niteraka ny loza. “Nivilambilana nidina avy any ilay 4×4 ka nifatratra avy hatrany tamin’ny mpivarotra miisa efatra”, hoy ny nambaran’ny nanatri-maso. Roa tamin’ireo naratra. Nidina nanohy ny lalany anefa io fiara io ka mbola nifaoka mpivarotra hafa teo amin’ny sisin-dalana indray. Vokany, tafasitrika tao anaty tatatra ny zazakely iray vao telo taona. “Avotra soa aman-tsara ilay zaza tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza”, hoy ny fanazavan’ny nanatri-maso. Nentina namonjy ny hopitaly HJRA avokoa ireo naratra izay nahatratra sivy. Naratra mafy, tsy tana ny ain’ilay renim-pianakaviana iray. Manaraka fitsaboana kosa ny valo. “Vehivavy iray tapaka ny foto-peny”, hoy ny fanazavan’ny zandary mandray an-tanana ny fanadihadiana.
Fitsaram-bahoaka
Tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza, nentin’ny hatezerana ny fianakavian’ireo voadonan’ny fiara. Raikitra ny fikasihan-tanana nataon’ny fokonolona saingy tonga ara-potoana ny zandary nandamina ny raharaha. “Raha tara kely ny fahatongavanay efa natahorana ny ain’ilay mpamily”, hoy hatrany ny fanamafisan’ny zandary. Anatin’ny fanadihadiana lalina momba ity raharaha ity izy ireo amin’izao fotoana. Ny nanatri-maso izay nilaza fa mamo ny mpamily io fiara io ka antony niteraka ny loza. Etsy ankilany, “tsy naharenesana fofon-toaka io mpamily io”, hoy ny hafa.
Tsiferana R.