Nifanehatra tamin’ny dahalo tamin’ny andro hariva, maty niharan’ny habibiana ny renim-pianakaviana iray 60 taona, tao Avaratr’Ampandramitsivalana, fokontany Mangarahara, Kaominina Andohan’Ilakaka, ny alahady 14 mey teo.
Mpivarotra arina fandrehitra ity namoy ny ainy ity. Namonjy fodiana niaraka tamin’ny zanany roa izy kinanjo voasakan-dalana tampoka. Nodarohan’ireo jiolahy voalohany ny zanak’io ramatoa io lahy. Nianjera ny gony nisy arina fandrehitra nentin’io lehilahy io ka nirifatra nandositra izy sy ny zaza niaraka taminy. Tavela teo amin’ireo olon-dratsy anefa ny reniny. Raikitra ny famonoana nataon’ireo olon-dratsy ilay renim-pianakaviana. Notapahiny ny lohany. Nesoriny ny voamasony.
Nampandre ny fokonolona
Nanoloana ny zava-nisy, nihazakazaka nampandre ny fokonolona tany an-tanàna ilay zanany tafandositra. Nokarohina, hita ilay renim-pianakaviana saingy efa namoy ny ainy. Tsy teo intsony ny lohany. Nokarohin’ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ny fokonolona, tany amin’ny 1 km niala ny vatany vao hita ny lohan’ilay ramatoa. Tsy hita ireo nahavanon-doza. Nampanontany tena ny mponina ao an-toerana ny fisiana mpanao arina fandrehitra maty voatapa-doha miseholany. Efa mahatratra dimy izy ireo tao anatin’ny volana vitsy monja. Tsy nisy voamaso intsony ny roa tamin’ireo namoy ny ainy. Mandray an-tanana ny fanadihadiana ny zandary ao an-toerana ka andrasana ny tohin’ny raharaha.
Tsiferana R.