Betioky Atsimo : naiditra am-ponja ireo dahalo nangalatra zaza varira

Naiditra am-ponja vonjimaika ao Toliara, ny zoma teo, rehefa avy natolotra ny fampanoavana ireo dahalo anisan’ireo tompon’antoka ta­min’ny raharaha fakana an-keriny zaza varira tao Betioky Atsimo. Nangalarin’ireo da­ha­lo niaraka tamin’ny omby ity zaza varira ity ka nandritra ny fanarahan-dia nataon’ny zandary nampian’ny fokonolona tao an-toerana no nahatrarana azy telo lahy ireto. Avotra soa aman-tsara ilay niharam-boina na efa nokasain’ireo olon-dratsy halaina aza ny masony. Mbola eo an-dalam-pikarohana ny namany sy ireo tena atidoha mpikotrika izao halatra zaza varira izao ny zandary any an-toerana. Mbola tsy fantatra mazava ny ray aman-drenin’ilay zaza varira ka tezaina ao amin’ny zandary ao Betioky izy hatramin’izao sady ho fiarovana ny ainy rahateo. Manao izay ho afany rahateo ny zandary amin’ny fanaraha-maso ireny zaza varira ireny sady efa nitondra fanazavana fa olona mitovy amin’ny rehetra ihany izy ireny fa tsy manana hery miafina na azo anaovana zavatra hafahafa ny taovany. “Koa aoka tsy ho voerebirebin’ireo olon-dratsy isika”, hoy ny zandary.

J.C

Partager sur: