Pasitera Andriamahazosoa Ammi Irako: “Adidin’ny fiangonana ny fitiavan-tanindrazana”

Nanafatrafatra ny zanany manana andraikitra eo anivon’ny fiarahamonina sy ny firenena ny eo anivon’ny FJKM, tany Ambositra. Nasongadin’ny filohany tamin’izany ny momba
ny hiatrehana ny fifidianana.

“Adidy aman’andraikitry ny fiangonana sy ny kristianina izay maneho ny finoany sy ny fiombonany ny fitiavan-tanindrazana, maniraka ny fiangonana sy ny kristianian handray andraikitra amin’izay manandrify azy. Ny fifidianana filohan’ny Repob­lika no akaiky indrindra amin’izany.” Io ny hafatry ny filohan’ny FJKM, Rév Dr Andriamahazosoa Ammi Irako, tamin’ny famaranana ny synodam-pinoana II, tany amin’ny synodam-paritany Amoron’i Mania, Ambositra, ny faran’ny herinandro teo.

Nandritra ny hefarana ny synodam-pinoana, nandinihana ny amin’ny hoe mihavao sy mpanavao ny fahamarinana, ny fanambadiana kristianina sy ny fitiavan-tanindrazana ary ny tontolo iainana ny fiangonana FJKM. Mba ho araka ny sitrapon’Andriamanitra tokoa àry ny vokatr’izany fifidianana filohan’ny Repoblika izany, mba hiainan’ny vahoaka miadana sy mandry fehizay. Tokony ho sahy ho martiora amin’ny fanehoana ny finoana sy ny fitiavan-tanindrazana ny kristianina. “Sarobidy ny tontolo iainana nomen’Andriamanitra antsika. Koa aoka ho saro-piaro amin’ny fiarovana izany isika”, hoy izy.

Ny asa sy ny vola ary ny tany…
Taomina sy ampirisihana ny vahoaka kristianina hiasa. Koa hampiasa ny volany ny manan-katao mba hiteraka asa. Manana zo hanana tany sy hisitraka izany ny Malagasy isam-pianakaviana, satria tsy vahiny eo amin’ny taniny izy, araka ny hafany. Ny fanekena sy ny fahafoizana ary ny fifampitsinjovana no mampiorina sy manamafy ny fihavanana. Taomina ny fiangonana hiantoka ny mpino izay tsy maintsy mandao ny fianarany noho ny antony tsy fidiny.

R. Nd.

Partager sur: