“Ahina ny hoavin’ny zanak’olombelona sy ny tontolo iainana na eo aza ny tosika lehibe ataonay ho fampandrosoana ny fiainana mba ialana amin’ny fahantran’ny saina”, hoy ny tompon’ny “Méditation” ho an’ny bodisma, taranaka faha-45, ny mpaminany Shi Wule. Nanteriny fa efa nampitany koa ny fahendrena sy ny fahalalana ho fiarovana ny tontolo iainana, ny fanomezan-danja ny fiarovana ny ala. Anisan’izany ny fambolen-kazo isan-karazany sy ireo hazo fihinam-boa. Nohitsiny fa mametraka ho laharam-pahamehana ny aina ny maro. Efa simba tanteraka anefa ny zavaboahary sy ny tontolo iainana, araka ny nambarany. “Tokony hapetraka ho fotokevitra laharam-pahamehana ny zavaboahary sy ny tany ary aorian’izany vao ny aina. Tsy hisy aina sy olona hiaina eto raha tsy mipetraka aloha ireo”, hoy ihany izy. Nanteriny ny tokony hiarovana ny zavaboahary sy ny tany mba haharitra ny fiainana sy ny taranaka. Mitaky fandraisana andraikitra izany mba tsy ho potika sy ho rava, araka ny nambarany. Anisan’ny tolokeviny ny hifehezana ny mponina ka hanajana ny fianakaviana tsy manan-janaka na koa ireo tsy manambady ary koa ny fiaraha-monina tsy miteraka mba hampihenana ny fitomboan’ny mponina. Notsindriny fa midika fandaniana sy famoronana fako bebe kokoa ny olona iray. Niantso ny rehetra ny tenany handinika ny fomba sy paikady hiarovana ny tontolo iainana sy ny hifehezana ny mponina.
Synèse R.