“Tsy adihevitra amin’ny Tim intsony ny hoe hanao fitondrana Tetezamita. Aleo hiroso ny fifidianana. Eo ny vahoaka malagasy hitsara izay olona heverina fa tokony hitantana ny tany sy ny fanjakana”, hoy ny depiote Tim, Antananarivo Atsimondrano, Ratsimbazafy Alain.
Tsy mankasitraka ny fisiana fitondrana Tetezamita ry zareo. Hamafisina fa hoe fanjakana tan-dalàna i Madagasikara. Voalazan’ny lalàmpanorenana ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny filohan’ny Repoblika amin’izao fotoana izao amin’ity taona ity.
“Tsy misy tokony hiheverana na kely aza ny hanitarana ny fe-potoam-piasan’ny mpitondra na hanaovana fitondrana Tetezamita mialoha ny fotoana (?)”, hoy izy. Aleo ny vahoaka napetraka ho masi-mandidy hifidy izay olona heveriny hitantana ny tany sy ny fanjakana hametraka ny tena safidiny marina.
Miomana amin’ny fifidianana ny antoko
Matoa ny Tim manao fameloma-maso ny mpikatroka rehetra, hiomana hiatrika izany fifidianana izany, miainga any amin’ny fisoratana anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy: efa mitodika any amin’izay hoe maha zava-dehibe ny fifidianana izay, araka ny fanazavany.
“Ho anay eto anivon’ny fanoherana : mba ho tombontsoan’ny vahoaka izay masi-mandidy eto amin’ny tany sy ny fanjakana dia ny firosoana amin’ny fifidianana no laharam-pahamehana amin’izao fotoana izao”, hoy ihany izy. Miandrandra izany ny Tim. Matoa mitety ny faritra rehetra izy, mamantatra izay maharary ny vahoaka ary mahita koa izay iainan’ny firenena amin’izao fotoana izao eo amin’ny lafiny politika, toekarena, sosialy…
R. Nd.




