Fandriampahalemana : vonona i Madagasikara

Nandray fitenenana manoloana ireo solontenam-pirenena manatrika ny fihaonambe fahenina ho an’ireo firenena aty amin’ny ranomasimbe Indianina, mivory ao Dakha renivohitr’i Bengladesh, ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoari­jao­na Josoa, afakomaly. Na­neho ny fahavononany i Mada­gasikara amin’ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny fandriampahalemana sy ny fa­hombiazana ho amin’ny ho avy mafy orina amin’ireo firenena aty amin’ny ranomasimbe Indianina, ny MDN, araka ny lohahevitra dinihina mandritra ity fihaonambe fahenina ity. Nambarany fa amin’ny maha Nosy an’i Madagasikara dia misy ny fiarovana an-dranomasina mitaky fahamailoana sy teti-panorona, hiadiana amin’ny tsy fanarahan-dalàna. Eo koa ny loza voajanahary ateraky ny fiakaran’ny maripana ka miteraka ny fikorontanan’ny toetr’andro izay mitera-doza. Mahakasika ny miaramila sy ny mponina izany loza izany nefa tokony ho fitaovana hampihenana ny tahan’ny tsy filaminana sy ny fiantraikan’ny loza voajanahary izy ireo. Nampahatsiahivin’ny MDN koa ny ezaka vitan’i Madaga­si­kara amin’ny fanatanterahana ny velirano voalohan’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny vahoaka amin’ny fametrahana ny fandriampahalemana ka anton’ny fanavaozan-drafitry ny Tafika Malagasy. Nisy ny dinika sy fifanakalozan-kevitra ka voaresaka tamin’izay ny fiaraha-miasan’ireo Nosy ma­nodidina an’i Madagasikara sy ny firenena afrikana manamorona ny Ranomasimbe India­na. Misokatra amin’ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny fandriampahalemana aty amin’ny Ranomasimbe Indiana, araka izany, i Madagasikara.

Jean Claude

Partager sur: