Hitrandrahana kariera-na Chrome : Sinoa nisoloky ny namany 600 tapitrisa Ar

Natolotra ny fampanoavana omaly, ka naiditra am-ponja vonjimaika ny sinoa iray 50 taona, monina eny 67ha. Voarohirohy amina fisolokiana vola an-tapitrisany maro, nandritra ny telo taona, noho ny fitrandrahana chrome.

Voasmabotry ny polisy avy ao amin’ny sampana fikarohana heloka bevava (BC) ny teratany sinoa iray. Nisoloky volan’ny mpiara-miasa taminy izy. Ny taona 2021 no efa naharaisana fitoriana nataona sinoa hafa milaza fa voasoloky izy. Hangalany vola, hitrandrahana kariera-na kraoma ireo lasibatra. Ny volana oktobra 2022, orinasa malagasy iray tsy miankina no nametraka fitoriana rehefa nilaza fa voasolokin’io sinoa io vola mi­ten­tina 600 tapitrisa Ar. Vola tokony hividianana fitaovana entina mitrandraka kraoma ihany. Afaka madiodio anefa izy tamin’ireo raharaha roa anenjehana azy ireo rehefa niakatra fitsarana noho ny fisalasalana sy ny fandavany hatrany nandritra ny famotorana azy.
Nandrahona ho faty…
Nipoitra indray ny raharaha momba azy ny volana mey 2023. Nisy teratany sinoa hafa nametraka fitoriana rehe­fa voasolokiny. Voalo­hany, ny antontan-taratasy entina manokatra kariera. Nilaza fa afaka manao izany izy ka nahazo vola 130 tapitrisa Ar. Nisy olon-kafa nangalany vola 146 tapitrisa Ar ihany koa. Nolazainy fa hividianana fitaovana enti-mi­trandraka kariera any Toama­sina, toy ny kamiaobe, buldozzers izany.
Nanambara koa izy fa mahavita manamboatra visa ho an’ny naman’ilay mpitory kanefa nanjavona tampoka. Voasolokiny ihany anefa ilay sinoa nitory azy na efa nifindra tany Fianarantsoa aza. Mbola nahazoany vato lépodolite 68 taonina sy vola 40 tapitrisa Ar ho fitondrana hiakatra aty an-drenivohitra ity lasibatra.
Tapa-kevitra ny hametraka fitoriana amin’izay ilay sinoa niharan’ny fisolokiana ka norahonan’ity sinoa mpisoloky ity hovonoina ho faty tao anaty tambajotran-tserasera “Wechat”. Voasambotra izy, naiditra am-ponja vonjimaika, miandry ny fotoam-pitsarana azy.

Jean Claude

Partager sur: