Fahasahiana tsotr’izao! Naiditra am-ponja vonjimaika ny lehilahy iray sy ny sakaizany, 19 taona, izay voarohirohy tamina halatra volabe saika hanorenana fiainam-baovao. Araka ny fanazavan’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’ Ankazomiriotra, nasaina hanatitra vola 7 200 000Ar any Betsoa, distrikan’i Mandoto, ity lehilahy ity sy ny namany iray. Nandeha moto izy ireo ka teny an-dalana niova hevitra tampoka ilay lehilahy iray nitondra ny vola. Nilaza hivily any an-tranony izy ka nampiandrasiny teo ilay namany. Tsy niverina intsony anefa izy ka voatery niantso ny mpampiasa azy ity namany niaraka taminy. Niantso zandary avy hatrany ilay mpampiasa satria tsy tratra antso rahateo koa izy. Nahazo loharanom-baovao ny zandary fa hoe any Antsirabe izy, ny 11 mey 2023 teo. Nametraka ny paikady rehetra hahafahana misambotra azy ny zandary ka noraisim-potsiny izy. Vola 5 tapitrisa Ar sisa tratra teny aminy fa 2 200 000Ar efa nividianany fanaka sy kojakojan-tokantrano hanorenany fiainam-baovao miaraka amin’ity tovovavy sakaizany ao Andranomanelatra Antsirabe ity.
Jean Claude