Faha-140 taona ny fifandraisana: hanamafy ny fiaraha-miasa i Alemaina

Nanamarika ny tantara eo amin’ny fifandraisana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Feno 140 taona, ny 15 mey teo, ny nifandraisan’ny fanjakana malagasy sy ry zareo Alemà.

Nomarihina omaly, tetsy Anosy, ny fankalazana izany, notarihin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Yvette Sylla. Namba­ran’ny ambasadaoron’i Ale­maina, Michael Hausler fa zava-dehibe ny fifandraisana eo amin’ny roa tonta, nandritra ny taona maro. Vonona ny hanamafy izany ny tenany. Anisan’izany ny eo amin’ny lafiny politika sy ny toekarena amin’ny alalan’ireo tetikasa fampandrosoana samihafa. Ny fiarovana ny tontolo iainana, ny tsy fanjarian-tsakafo, ny angovo azo havaozina ary ny fiaraha-miasa ho fanohanana ireo vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana.
Nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny kosa fa vonona hanamafy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny fiaraha-miasa amin’ireo ONG Alemà maro eto amintsika ny fanjakana.

Vita sonia ny taona 1883, tany Berlin

Anisan’ny niatrika izao lanonana fahatsiarovana sady nanamafisana ny fiaraha-miasa izao ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana sy ireo manampahefana isan-tokony.
Tsiahivina fa natao sonia ny 15 mey 1883, tany Berlin, ny fiaraha-miasa “Traité d’amitié Germano-Malagasy”eo amin’ny fanjakana malagasy sy ry zareo Alemà.

Synèse R.

Partager sur: