Governora Rasoamaromaka : “Resaka seza ny Tetezamita”

Adihevitra tsy mbola vita? Ranolava ny fanehoan-kevitra. “Tsy misy tombontsoa ho an’ny vahoaka izany fitondrana Tetezamita izany, fa tombontsoan’ny mpanao politika izay tsy manana olona ary tsy nanampy olona hatramin’izay dia te haka seza indray”, hoy ny sekretera nasionalin’ny antoko TGV sady governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery, ny amin’ny fitadiavan’ny mpanao politika sasany hidirana amin’ny fitondrana Tete­za­mita, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao.
Ao anatina fahasarotana na ady no tokony hisiana fitondrana Tetezamita, araka ny fanazavany. Amin’izao fotoana izao, volena sy atao izay hampisy ny korontana eto amin’ny firenena hidirana amin’izay fitondrana Tete­zamita izay. Ny fanontaniana ho an’ny vahoaka: hidina ve ny vidim-bary, raha sanatria mbola misy korontana eto Madagasikara? Tsy vao mainka ve mihasarotra ny fiainana? Raha vao misy korontana ny firenena iray, vao mainka mihasarotra ny fiainana. Hiverina aotra indray ve ny firenena amin’izany?
“Izay no itenenako hoe: hiroso amin’ny fifidianana isika, dia aleo ny olona haneho ny safidiny malalaka”, hoy izy. Faniriany ny tokony hananan’ny mpanao politika asa vao manao politika, fa ny fanaovana politika no ataon’ny sasany asa fivelomana sy fitadiavana.

*
R. Nd.

Partager sur: