“Ny fiatrehana fifidianana 2023 no laharam-pahamehana izao”, hoy ny mpitarika ny fikambanana Ifi, ny loholona Ramanambitana Richard, tetsy Anosikely, afakomaly. Tsy misy krizy politika eto, fa krizy sosialy sy toekarena izay iraisana amin’izao tontolo izao.
Koa ny fanentanany ny tsy hisian’ny hevitra na lalan-tsaina mankany amin’ny hoe fitondrana Tetezamita na fiaraha-mitantana. Tsy ao anatin’ny lalan-tsain’ny fitondram-panjakana izany fitondrana Tetezamita izany izao. Tsy misy fanakantsakanana ny olona hanao politika sy haneho ny heviny. Ny fisokafan’ny haino aman-jery anehoan’ny mpanao politika, indrindra ny mpanohitra, ny heviny: midika izany fa fanjakana mandala demokrasia ny eto.
“Manimba ny tolona nataon’ny filoha Rajoelina ny fitadiavana fiaraha-mitantana ao anatina fitondrana Tetezamita”, hoy izy. Efa manao ny Ceni amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, amin’ny fanomanana fifidianana…
R. Nd.




