Nokarohina hatry ny ela! Maty voatifitra ireo dahalo roa lahy raindahiny amin’ny fakana an-keriny sy famatsiana fitaovam-piadiana tao Ambatomalama, fokontany sy kaominina ambanivohitra Bemaitso, distrikan’Andilamena, ny 15 mey teo. Naharay loharanom-baovao ny zandary fa mihaodihaody ao amin’ io tanàna io izy roa lahy dahalo mpangalatra omby sy mpamatsy fitaovam-piadiana ireo. Nanao ny paikady rehetra hanatrarana azy ireo niaraka tamin’ny fokonolona ny zandary notarihin’ny Kaomandin’ny Vondron-tobim-paritra Andilamena, Kapiteny Tobiasy. Voasambotra izy roa lahy. Tamin’ny alalan’ny famotorana, mbola misy basy lava telo nampanofain’izy mirahalahy ireto amin’ny sarany 600 000 Ar ny iray. Tsy nanaiky hitondra ny manam-pahefana any amin’ny toerana misy ireo ireto dahalo. Niangavy ny lehiben’ny zandary ao an-toerana izy mirahalahy ireo fa hanome vola 10 tapitrisa Ar ho solon’ny famotsorana azy ireo. Nandà vola ilay lehiben’ny zandary izay nitaky hatramin’ny farany ny toerana misy ireo basy. Nikasa handositra anefa ireo dahalo roa lahy ka raikitra ny fifanjevoana. Vokany, lavon’ny bala izy ireo. Tsiahivina, efa nokarohina hatramin’ny taona 2018 ireto dahalo maty ireto.
Tsiferana R.