Pasitera Tsarahame Edouard : “Hiroso amin’ny fifidianana ny RMDM”

“Manapa-kevitra izahay androany ary miantso ny mpikambana rehetra manerana ny Nosy amin’ny toromarika tokana fa hiroso amin’ny fifidianana ny RMDM.”
Io ny fanambaran’ny Ro­doben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara (RMDM), novakin’ny filoha lefitra, ny pasitera Tsarahame Edouard, teny Bel’Air Am­pandrana, afakomaly. Izany anefa tsy midika fa hanaiky ny fandikan-dalàna. Nambarany fa ilaina ny fifidianana madio, mangarahara, eken’ny rehetra.
Betsaka ny feo mandeha, maro ny zavatra mety miseho. Tsy mbola niresaka momba an’izany ry zareo, fa nanamafy ny foto-kevitra ijoroany: tsy mila Tetezamita ny RMDM, fa fifidianana madio, mangarahara, eken’ny rehetra. Lalàna no mamaritra an’izany. Ao ny lalàna mifehy ny mpikarakara fifidianana. Ao ny lalàna mifehy ireo fitaovana hoenti-manatanteraka fifidianana. Ao koa ireo mpanara-maso fifidianana. Hatao madio izany. Anga­tahan’ny RMDM ny hamoahan’ny governemanta ny datim-pifidianana mazava.

R. Nd.

Partager sur: