“Tsy maintsy miaro ny morontsiraka isika, fa amin’ireny faritra ireny no ivoahan’ny harentsika ka tsy maintsy atambatra ny hery. Maro ireo efa voasazy noho ny fandikan-dalàna”, hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy,
i Yvette Sylla, nanazava ny amin’ny fivoriana faha-37 nataon’ny filankevitry ny minisitra eo anivon’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianiana (COI), teny amin’ny CCI, Ivato, afakomaly.
Tombontsoa lehibe iombonana ny fijerena ny faritry ny morontsiraka amin’ireo nosy mpikambana: i Seychelles, i Comores, i Maurice, La Réunion, i Madagasikara. Eo koa ny fampanjakana ny fandriampahalemana sy ny fahamarinan-toerana amin’ny faritra. Koa napetraka ny drafi-pampandrosoana stratejika ho amin’ny folo taona manaraka, 2023-2033. Nofaritana tamin’ izany ireo paikady rehetra entina hampandrosoana ireo nosy mpikambana eo anivon’ny COI.
Mivoatra ny ambana misy aty amin’ny faritra, izay anisan’ny fivezivezen’ny zava-mahadomelina, ohatra, amin’izao fotoana izao. Eo koa ny fitrandrahana tsy araka ny tokony ho izy ny harena an-dranomasina. Izay no nandinihana ny hoe: inona ny zava-misy amin’ireo nosy tsirairay ary inona no manambatra ireo nosy rehetra amin’ny faritra? Noho izany, ainga vaovao izao no atao. Vita izay ny fitantanan’i Madagasikara ny COI, fa i Maurice indray izao no hisahana izany mandritra ny herintaona.
R. Nd.