Natahotra ho tratra… : natsipin’ireo roa lahy ny gony 14 feno rongony

Lehilahy roa tsikaritry ny fokonolona nametraka ireto gony feno rongony ireto. Nampandre ny polisy izy ireo ary eo am-pikarohana ireo tompon’entana.

Miparitaka manerana ny toerana maro eto amin’ny Nosy ny zava-mahadomelina. Nisy lehilahy roa, tsy fanta-piaviana, nitondra gony 14 feno zavatra tao amin’ny fokontany Ambalakatsaka, kaominina Ihosy, afakomaly. Tsikaritry ny fokonolona izany ka napetrak’izy ireo ny gony ka lasa izy ireo niala. Niahiahy ny fahitana ireo gony ireo ny fokonolona ka nampandre ny polisy miasa any an-toerana. Nidina ifotony nijery ny zava-misy avy hatrany ny mpitandro filaminana vantany vao nandre ny filazan’ny mponina. Fantatra fa rongony avokoa ny tao anatiny rehefa nosokafana ireo gony, raha ny fampitam-baovaon’ny polisim-pirenena any Ihorombe. Notanana ao amin’ny kaomisaria Ihosy ireo gony feno rongony ireo amin’izao fotoana izao. Mitohy ny fanadihadian’ny polisy amin’ny ahiana ho tompony sy ireo nametraka izany tany an-toerana.

Mino (Mpianatra asa)

Partager sur: