Fanendahana mitam-basy : zandary maty voatifitra, very ny 15 tapitrisa Ar

Nirefotra ny basy tetsy Ankasina, lavon’ny olon-dratsy ny zandary iray. Voaroba ny vola an-tapitrisany, ny alakamisy hariva teo.

Maty voatifitry ny jiolahy ny zandary iray tetsy Ankasina 67 Ha, afakomaly hariva. Avy nanidy Cash-point, nitondra ny vola tamin’ny sakaosy izy sy ny mpanampiny iray. Nandrasan’ireo jiolahy telo lahy kendry tohana. Voasa­kana tsy lavitra ilay toerana ity zandary nitondra vola. Tsy nisy alaharo, nitifitra ity farany avy hatrany ny jiolahy. Nosintominy ny vola tao anatin’ny sakaosy, nahatratra 15 tapitrisa Ar mahery.
Namoy ny ainy, minitra vitsy taorian’ny fahavoazany, ilay zandary. Tetsy ankilany, mbola notifirin’ireo olon-dratsy koa ilay mpanampiny saingy tsy voa fa afa-nandositra. Nanao tongotra an-katoka niaraka tamin’ny vola ireo jiolahy. Nanao tifi-danitra, nihazo ny fiara naka efa niandry tsy lavitra.

Basy mahery vaika

Araka ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana, fitaovam-piadiana ma­he­ry vaika no nampiasain’ireto jiolahy nanao fanafihana, tetsy Ankasina. Nahitana poti-bala “Speet Luger” roa teo amin’ny manodidina ny faritra nitrangan’ny fanafihana. Efa tambajotran-jiolahy ireo nahavanon-doza.
Mandray an-tanana ny raharaha, ny zandary eo anivon’ny sampana fikarohana heloka bevava. Raha tsiahivina, lasibatry ny asan-jiolahy mitam-piadiana koa ny Cash-point iray tetsy Soamanan­dra­riny, ny 28 marsa teo. Ankoatra ny fandrobana ny vola, matetika hamoizana ain’olona hatrany io fandrobana ataon’ny jiolahy io.

Tsiferana R.

Partager sur: