Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ! Voasambotry ny polisy, ny alarobia alina teo, teny Ampasika, ny jiolahy iray nitondra sabatra, raindahiny amin’ny fanendahana. Tonga nanatona ny polisy ny vehivavy iray naratra nendahin’ny jiolahy tamin’io fotoana io. Nilaza ity vehivavy ity fa nisy telo lahy nitondra sabatra nanendaka azy. Niroso tamin’ny fanenjehana sy fikarohana ireo jiolahy avy hatrany ny polisy ka tratra tsy lavitra teo ny jiolahy iray. Tafaporitsaka kosa ny roa lahy namany. Fantatra nandritra ny fanadihadiana savaranonando fa nisy raim-pianakaviana iray 30 taona koa tratran’ireto jiolahy ireto. Nokapain-dry zalahy ny sabatra izy ka naratra mafy. Voatery nalefa haingana any amin’ny hopitaly izy noho ny ratra mafy nahazo azy. Nentina nanaovana fanadihadiana teny amin’ny polisy ity jiolahy ity niaraka tamin’ilay vehivavy niharan’ny fanendahana.
Jean Claude