Nandratra olona : miaramila enina anaovana fanadihadiana

Miatrika fanadihadiana lalina eny amin’ny zandary misahana ny heloka bevava (Secres) Fiadanana, ireo miaramila enina tompon’antoka tamin’ilay fandratrana olona niampy daroka, teny Avara­doha. Enina ihany koa ireo mpitory amin’ity raharaha ity, araka ny fanazavan’ny teo anivon’ny Secres. Efa nitondra fanazavana rahateo koa ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (MDN) manoloana ny herisetra. “Ny Tafika Malagasy dia tsy miaro ny miaramila manao ny tsy mety toy izao”, araka ny fanazavan’ny Jly Rabemanantsoa Michel. Natolotra ny zandary ireo miaramila. Mety hiafara amin’ny fandroahana izany rehefa voamarina ny fandikan-dalàna nataon’izy ireo. Nohamafisin’ity manamboninahitra jeneraly ity fa noraisin’ny fanjakana an-tanana ny fitsaboana ireo sivily maratra, eny amin’ny hopitaly miaramila Soavinandriana. “Ny Tafika Malagasy dia maneho fialantsiny amin’ny trangan-javatra toy izao ary tsy maintsy horaisina ny fepetra rehetra mifanaraka amin’izany”, hoy hatrany izy.

Jean Claude

Partager sur: