Fifanatrehana eny Tsimbazaza : ho adinin’ireo depiote tsirairay ireo minisitra

Hihaona amin’ny solombavambahoaka, eny amin’ny antenimierampirenena Tsimbazaza, ny minisitra, hanao ny tatitry ny zava-bita sy ny zava-misy. Mahakasika ny lalana sy ny sosialim-bahoaka ary ny fitantanam-bola no tena hisongadina ao anatin’izany.

Hafampana! Hanom­bo­ka ny 24 hatramin’ny 31 mey, ny tatitry ny mpikambana eo anivon’ny governemanta, eny Tsimbaza­za. Hanao tatitra tsirairay eo anoloan’ireo solombavambahoaka ny minisitra tsirairay avy. Betsaka ny tsikera sy tsy fahafaham-pon’ireo depiote ankoatra ny filazana na fitanisana ny zava-bitan’ny fitondrana. Anisan’ireny ny haratsian’ny ankamaroan’ny lalana sy ny lalam-pirenena (RN). Torak’izany ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Ny naoty na fepetra noraisin’ny minisiteran’ny Atitany momba ny famerana ny famoriam-bahoaka ho anaty trano ihany. Anisan’ny teboka goavana ny momba ny fitsarana, niteraka resabe tato ho ato. Manampy ireo voalaza ny momba ny sosialim-bahoaka sy ny momba ny fitantanam-bola eto amin’ny firenena.
Ankoatra izany, anisan’ny hodinihin’ny Antenimieram­pirenena, amin’ny alatsinainy ho avy izao ny tolo-dalàna mifehy ny fampiasam-bola. Anisan’ny napetraka ho laharam-pahamehana amin’izao fotoam-pivoriana voalohany izao ny momba izany. Ho­dinihina ny 23 mey kosa ny tolo-dalàna 001/2023 « Au­torisant la ratification de l’accord de prêt relatif au financement additionnel du Prog­ramme Africain de Finan­cement de la Gestion des Risques de Catastrophes – ADRiFi”.

Synèse R.

Partager sur: