Vovonana AMM : « Mila mifanome tanana ny rehetra » hoy i Masy Goulamaly

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny Kalotody Mandro­seza, ny fijoroan’ny vovonana Avotantsika Miaraka i Mada­gasikara , AMM. Araka ny maha vovonana azy, fikambanana maromaro no handrafitra izany. Mijoro ara-dalàna sy ara-panjakana ny vovonana ka ny solombavambahoakan’i Madagasikara, voafidy tao Tsihombe, Masy Goulamaly Marie Jeanne d’Arc no mitarika izany. Tanjon’ny vovonana ny hampitambatra sy hampivondrona, ahafahana mifandinika, mba hahitana hevitra ialana amin’izao fahaterena mahazo ny Malagasy izao.
“Malagasy voky, Madaga­si­kara milamina”. Io no teny filamatry ny vovonana AMM. “Mila mandray an-tanana ny fampandrosona ny hery velona rehetra misy, izany indrindra no antony nananganana ny vovonana mba hivondronanan’ny hery rehetra”, hoy hatrany ny mpitarika. Mi­sokatra hoan’ny olona sy fikambanana rehetra ny vovonana. Misehatra misimisy kokoa amin’ny fampandrosoana sy ny lafiny sosialy ny AMM.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: