Lehilahy nitondra: « rôrô » tanaty tranon’afokasoka

Mahita hirika foana ! Voa­sambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahafito (CSP7), teny amin’ny faritra IVO Antoho­madinika Atsimo, afakomaly, ny lehilahy iray niaraka ta­min’ny zava-mahadomelina mahery vaika. Loha­ranom-baovao no nahafantaran’ny polisy momba ny fisian’olona mivarotra sy midoroka zava-mahadomelina mahery vaika eny Antohomadinika Atsimo. Tsy niandry ela ny polisy fa nidina haingana nijery ity toerana voalaza fa misy mpanao trafikana héroïne ity. Lehilahy iray tratra nandritra ny fanaraha-maso nataon’ny polisy teny an-toerana. Hita tany aminy koa ny fitaovana fampiasa sy fonosana “rôrô” ma­romaro tanaty tranon’afokasoka. Nilaza izy, nandritra ny famotorana fa sady mivarotra no midoroka ity zava-mahadomelina mahery vaika ity.

Jean Claude

Partager sur: