Mampiahiahy! Namoy ny ainy tamin’ny fomba somary manjavozavo, ny alin’ny zoma teo, tao Mangarivotra Toamasina, ny zandary iray mitondra ny galona GHC Fataka Dernard, 42 taona (nivoaka tamin’ny andiany faha-67 tao amin’ny EGNA, manan-janaka efatra mianadahy) mpanao basikety malaza ao amin’ny Ascut. Tamin’ny voalohany, lazaina fa maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana izy saingy ny fitsirihana ny vatan’ny niharam-boina dia tsy ahitana soritra izany. “Tsy misy simba ny moto nentiny ary tsy nahitana taratra hoe lozam-pifamoivoizana tamin’ny vatany”, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao. Loharanom-baovao hafa kosa milaza fa nisy nahita izy, ny alin’ny zoma io, tao amin’ny toeram-pandihizana iray malaza ao an-drenivohitr’i Toamasina, nitondra moto. Nisy tovolahy niara-nanao taingin-droa taminy. “Tsy matin’ny lozam-pifamoivoizana i Fataka Denard fa ahina ho nisy namono satria feno mangana ny tendany sady maratra ny lohany”, hoy ny fanehoan-kevitr’ireo zandary mpiara-miasa aminy. Vokany, tsy hanaiky izao raharaha izao ny zandary fa hanokatra fanadihadiana lalina hikarohana ny marina.
Sajo/Jean Claude