Nandray ny tomponandraikitry ny fiarovan’ny Masoivohon’ny Repoblika entimbahoakan’i Sina eto Madagasikara, ny capitaine de Vaisseau Major, Zhong Qiliang, noho ny fanendrena azy, ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa (MDN), ny zoma teo. Nandritra izany koa no nanaovan’ny tomponandraikitry ny fiarovana teo aloha, ny Kly Wang Tao, rehefa nahavita ny fe-potoam-piasany nandritra ny roa taona. Nankasitra ny Kly Wang Tao sady niarahaba koa ny capitaine de Vaisseau Major, Zhong Qiliang koa ny MDN amin’izao fanendrena azy ho tomponandraikitry ny fiarovan’ny Masoivohon’ny Repoblika entimbahoakan’i Sina eto Madagasikara izao. “Manana fiaraha-miasa ara-miaramila matotra i Madagasikara sy ny firenena sinoa tamin’ny alalan’ity tomponandraikitry ny fiarovana teo aloha ity. Anisan’izany ny fampianarana ny teny sinoa teo anivon’ny ivontoerana fianarana teny vahiny eto anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena”, hoy ny MDN. Manantena ny hitohizan’ny fiaraha-miasa hatrany koa ireto manamboninahitra sinoa ireto. Efa nisy nandritra ny 49 taona mahery ary nihamafy orina hatrany ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa ara-tafiky ny firenena roa tonta nandritra ny fitondran’ny Filoha Xi Jinping sy ny Filoha Andry Rajoelina. Nilaza ny MDN fa ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta dia mitsimbina hatrany ny tombontsoan’ny vahoaka malagasy sy ny sinoa.
Jean Claude