Hampiakatra ny fari-piainana ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fampiasam-bola eo amin’i Madagasikara sy ny firenena amerikanina. Hiteraka asa maro ho an’ny Malagasy sy fidiram-bola ho an’ny tokantrano samihafa ny hetsika “One day, one country”, izay natao ny talata teo, tao amin’ny biraon’ny masoivohon’i Etazonia eny Andranomena. Nampivondrona manam-pahaizana avy amin’ny sehatra tsy miankina sy avy amin’ny governemanta malagasy ary amerikanina ny hetsika. Nodinihina tamin’izany ny fomba entina hampandrosoana ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fampiasam-bola eo amin’ny firenena roa tonta. Natomboka nandritra izay koa ny fanatontosana ny paikadim-pirenena hanaovana ny “African Growth and Opportunities Act” (AGOA) ho an’ny taona 2022-2025. Atao izao hoentina hampitomboana ny fanondranana entana avy eto Madagasikara mankany Etazonia sy hanatsarana ny sehatry ny fampiasam-bola eto amin’ny firenena. Tsiahivina fa nahatratra 1 000 tapitrisa dolara ny tetibidin’ny fifanakalozana ara-barotra teo amin’ny firenena roa tonta. Nitana ny laharana fahefatra amin’ireo mpanondrana entana any Etazonia ny firenena malagasy tamin’ny alalan’ny AGOA. Niteraka asa maherin’ny 100.000 teto Madagasikara ity tsenam-barotra ity.
Henintsoa H.