Tontolo ambanivohitra: hampiasaina amin’ny fambolena ny teknolojia niomerika

Mbola olana eny ifotony ny fahazoan-kevitra sy torolalana amin’ny sehatry ny famokarana isan-tsokajiny eny ambanivohitra, satria tsy ampy ny olona mpanapariaka azy any amin’ny tantsaha. Anisan’ny vahaolana ny fampiasana ny teknolojia niomerika.

Fanoitra ho an’ny fampandrasoana ny sehatry ny famokarana eto amintsika ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra, na ny teknolojia niomerika. Miroso amin’izany fivoarana izany ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, ankehitriny, miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka. Eo am-panomanana ny paikadim-pirenena amin’ny fanapariahana ny haitao sy ny tolokevim-pamokarana (DV FAR), sy ny Vondrona mi­tantana ny antontam-baovao sy ny niomerika (UCID). Natao ny 31 mey teo, teny amin’ny foibe C ny atrikasa « Fana­mafisana ny fahaiza-manao amin’ny haitao ara-kajy mirindra amin’ny tolokevim-pamoka­ra­na ». Iara­hana amin’ny AFAAS sy ny CFA, vatsian’ny Vondrona eoropeanina (UE) ara-bola. Tanjo­na ny hampitana amin’ny fomba haingana ny fahalalana any amin’ny tantsaha mpamokatra.

Karatry ny tantsaha

Nilaza ny talen’ny DV FAR, Rakotoarisaona Mitia, fa fitaovana iray ma­homby hanapariahana haingana ny tolokevi-pamokarana. Mam­pi­von­drona ny tantsaha ny FCA, sady manome tan-tsoroka hampiroboroboana ny famokarana. Satria efa matihanina amin’ny lafiny niomerika ny FCA, ka afaka mampita ny tolokevim-pamokarana amin’izay fomba izay. Anisan’izany ny amin’ny alalan’ny horonantsary, ohatra, izay tsapa fa tena mahomby tokoa.
Etsy, ankilany, nohazavain’i Samuel, tompon’andraikitry ny FCA, fa efa miroso ny fampiasana ny karatra niomerika ho an’ny mpamokatra. Eo am-pamolavolana koa fitaovana niomerika, «E-conseil ». Hoeza­hana haparitaka izy ireny amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia niomerika, mba ho tonga haingana any amin’ny tantsaha mpamokatra.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: