FAHA-60 TAONA Fimpima : nankalazaina tany Eoropa

Notontosaina tany Eoropa nandritra ny iray volana sy tapany ny fankalazana ny faha-60 taona ny Fikam­banan’ny mpikabary malagasy (Fimpima). Toerana dimy no nanatanterahana izany, Frantsa, Benelux, Norvezy, Alemana ary Soisa. Nisy hatrany ny fampitana fanilo, ny famoahana mpianatra ka­bary, ny fandraisana mpikambana, ny fanasalorana lamba ary ny seho kanto hanandratana ny kabary.
Ankoatra ireo, nandray anjara tamin’ny fankalazana ny faha-100 taona ny Aca­dé­mie des Sciences d’Outre-Mer tao Sorbonne Parisy ny Fimpima, tamin’ny alalan’ny seho kabary. Antony, efa lasa haren-tsaina tsy azo tsapain-tanana eo anivon’ny Unesco ny kabary malagasy. Izany hoe, efa azo sokajiana lafiny siantifika.
Vinan’ny Fimpima, na­nomboka ny zaikabe tany An­tsiranana ny hoe, «kabary, harem-pirenena mampandroso taranaka ankehitriny ary lovain-jafy». Ilaina ny fitehirizana ny tantara.
Natao sonia ny fifanarahana hametrahana ny kabary malagasy ao amin’ny fitahirizan’ny Oniversite VID Sta­vanger, izay efa misy momba an’i Madagasikara rahateo ao.

Njaka A.

Partager sur: