Airtel – «10.000 codeurs»: fampianarana informatika

Natao sonia, ny zoma 2 jona teo, ny fiaraha-miasa eo amin’ny Airtel Madagasi­kara sy ny fikambanana «10.000 codeurs». Mifan­toka amin’ny fanofanana informatika maimaimpoana ny tanora malagasy ny fifanarahana. Tafapetraka ny tetikasa taorian’ny fihaonambe faha-12 ny fiovana mankany amin’ny niomerika aty Afrika (ATDA). Nilaza ny tale jeneraly lefitry ny Airtel Madagasikara, Andri­a­nalison Hantamalala Lydie, fa manatombo i Mada­ga­si­kara amin’ny fananana tanora maro, izay latsaky ny 25 taona ny 2/3-n’ny mponina (64%) ary latsaky ny 15 taona ny 47%. Ho avin’ny firenena izy ireo, mahatonga ny Airtel hifototra amin’ny fampisongadinana ny talentan’izy ireo, hampahafantatra ity fampianarana ity.
Nilaza ny filohan’ny 10.000 codeurs fa tsy ampy ny tolotr’asa mikasika ny mpikirakira ny informatika sy ny niomerika maneran-tany, anisan’izany ny eto Madagasikara. Izay no nahatonga ity fanofanana maimaimpoana ity. Miisa 100 ny hoezahina hiofana amin’ity taona 2023 ity, 1.000 amin’ny 2024, 10.000 amin’ny 2025.Isaky ny telo volana ny famoahana andiany.

Karazana sy sokajin’asa 65 no azo hianarana sy hiofanana ao anatin’ny 10.000 codeurss.

Njaka A.

Partager sur: