Mitobaka ny fako plastika eto amintsika, na an-tanàn-dehibe na eny amoron-dranomasina. Maro ny biby maty vokatry ny fihinanana azy ireny. Namoaka fanambarana ny Banky Iraisam-pirenena (BM), ny 2 jona teo, fa tsy ho foana mihitsy ny fahantrana aty amin’ny tany andalam-pandrosoana raha mbola misy ny fako plastika. Notateriny fa efa ahitana singa madinika plastika any anaty ràn’ny olombelona sasany.
Very eny ankalamanjana ny 353 tapitrisa taonina amin’ny vokatra plastika 460 tapitrisa taonina novokarina tamin’ny taona 2019. Latsaky ny 9% monja no averina ahodina indray, ariana eny amin’ny fanariam-pako ny 50% ary very eny ankalamanjana, eny amin’ny tontolo iainana, na any an-dranomasina ny ambiny.
Njaka A.