Antoko Malagasy miara-miainga: “Tsy mahagaga isika raha tra-pahasahiranana”

Nitondra fanehoan-kevitra manoloana ny fitsinjaram-pahefana voiziny ny eo anivon’ny MMM, amin’ny alalan’ny filoha nasionaliny, Andrianainarivelo Hajo. Nambarany fa misy ny hevi-diso amin’ny fandraisan’ny sasany izany.

Tsy mitombina ny filazan’ny sasany fa tsy mahavaha ny olan’ny vidim-piainana sy ny fampianarana, fahasalamana… ny fitsinjaram-pahefana. “Tsy gaga isika raha tra-paha­sahiranana satria ny eny Iavoloha sy Mahazoarivo samirery no mandray fanapahan-kevitra”, hoy izy. Nohitsiny fa zary lasa lavitra andriana ny faritra rehetra manerana ny Nosy ary anisan’izany ny eto Antana­na­rivo na heverina ho akaiky ny fanjakana foibe aza.
“Any amin’ny 400 hatramin’ny 800 km mahery ny elanelantany eo amin’ny mpanapa-kevitra sy ny olom- pirenena eny ifotony”, hoy ihany izy.
Sarintsarim-pivoarana
Nanteriny fa maty avokoa ny herijika sy ny finiavana hanao zavatra any amin’ ny faritra rehetra. Ny renivohitra sy ny renivohi-paritany irery no ahitana sarintsarim-pivoarana. Zary lasa “Tany ngazana” ny ankoatra ireo.
Notsiahiviny fa anatin’ny “ran’ny MMM ny fitsinjaram-pahefana”, voasoratra mazava amin’ny fotokevitra ijoroany ary ifampizarana feno amin’ny “Doctrine de­mocrate centriste”, ijoroan’ izy ireo. Namolavola ny la­làna manan-kery ankehitriny tamin’ny taona 2014 rahateo ny depiote MMM. “Niton­dra­nay fanovana maro ny fitsinjaram-pahefana. Iaina­nay ary hitanay ireo tokony hohatsaraina”, hoy ihany izy.

Synèse R.

Partager sur: