Avotra ho an’ny firenena : “Mila alamina ny firenena mialoha ny fifidianana”

“Ankehitriny, miteny izahay fa mila alamina aloha ny firenena. Tsy mbola tokony hihazakazaka amin’ny fifidianana isika”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpandrindra ny antoko Avotra ho an’ny firenena, Dr Razafin­dra­koto Harison, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao ankatoky ny fifidianana filohan’ny Repob­lika izao. Ho vita foana ny fifidianana, fa aleo aloha halamina sy diovina ny fiainam-pirenena.

Aleo jerena tsara izay ho lalàm-pifidianana hanatanterahana fifidianana. Ino­na marina ny lalan-kizoran’i Madagasikara? Ahoana moa no hisian’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, raha ny lalàm-pifidianana aza be dia be ny tsy mankasitraka azy? Ao anatin’izany misy tsy nan­dray anjara tamin’ny fiainam- pirenena, mahatonga ny fahasahiranana be amin’izao fotoana izao.

Efa misy rivotra mitsoka manerana an’izao tontolo izao, araka ny nambarany. Izay ilay lazaina hoe lamina vaovao amin’izao tontolo izao. Ao anatin’izay ny politika hoe miroatendro: tsy ny firenena tandrefana intsony izao no manjaka manerana an’izao tontolo izao, fa efa misy firenen-kafa koa mijoro. Tsy vitsy izy ireo amin’ izao, ary tsy azo atao tsinontsinona. Ny firenena manana ny maha izy azy, mijoro amin’ny maha izy azy, ma­nana ny kolontsainy ihany no mbola afa-mijoro mampandroso ny fireneny. “Aiza ho aiza amin’izany isika Malaga­sy?”, hoy izy.

R. Nd.

Partager sur: