Betafo : nahazo ozinina manodina ovy ho lasa chips

Afaka manodina ovy 100kg isan’ora ilay milina napetraky ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana ao Betafo, omaly. Ha­nampy betsaka ny tantsaha ny fahazoana ity ozinina ity, noho izy ahitana lalam-barotra amin’ny famokarana ao an-toerana. Tetikasa izay tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny indostria eny ifotony sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Tsy hiditra fatiantoka intsony ny tantsaha, azo amidy any amin’ireo tranombarotra lehibe ny chips. Ham­pitombo ny fidiram-bola, ny toekaren’ny mponina ihany koa, izany. “Iarahantsika ny manodina ny ovy dia iarahantsika ny mivarotra ny chips. Izay no antony ivondronantsika ao anatin’ny kaoperativa”, hoy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria, Razafindravahy Edgard, omaly, tao Alakamisy Ana­tivato, nandritra ny fanolorana ny fitaovana. Tsy hamidy mora intsony ny ovy fa ho ahodina noho ny fahazoana izao fitaovana izao.
Manao antso ho an’ny tetikasa ireo tomponandraikitra any an-toerana mba hahafahana mifantina ny mpandraharaha hitantana ny indostria.

Henintsoa Hani

Partager sur: