Tapitra ny alarobia teo ny fivoriambe iraisam-paritra momba ny jono tsy ara-dalàna, tsy voatatitra ary tsy voafehin-dalàna (pêche INN). Hoentina hamolavolana paikady iadina amin’ny jono tsy ara-dalàna, tsy voatatitra ary tsy voafehin-dalàna ny fehinkevitr’ity fivoriambe ity. Ho fantatra aorian’izay ireo fomba enti-manohitra izany tsy fanarahan-dalàna izany. Tsiahivina fa naharitra telo andro ity fivoriana natao teny amin’ny biraon’ny masoivohon’i Etazonia ity. Tetikasa tohanan’ny governemanta Amerikana, tarihin’ny Blue Ventures Madagascar ity fivoriambe ity. Nandray anjara ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, ny institut halieutique et des sciences marines (IHSM), ny Transparency-Initiative Madagascar ary ireo mpisehiatra ao amin’ny jono avy amin’ny firenena mpiara-miasa, avy amin’ny Nosy Kaomoro, sy Maorisy ary Seychelles. “Mampirisika anareo sy ny governemantanareo izahay hanohy hikaroka fomba ahafahan’ny fandrindrana iraisam-paritra fa tsy ny fifaninanana isam-paritra, afaka manampy ny firenena tsirairay hampivelatra ny toekarena manga ao aminy sy hanatsara ny fitantanana lovain-jafy ny tahirin-trondro sy ny zava-mananaina manerana ny faritra andrefan’ny ranomasimbe Indiana.”, hoy ny ambasadaoro Amerikana, Claire Pierangelo, nandritra ny fanakatonana ny fivoriana, ny alarobia teo, niaraka tamin’ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Paubert Mahatante Tsimanaoraty.
Henintsoa H.