Harena an-kibon’ny tany : mihamatotra ny fiaraha-miasa amin’i Frantsa

Manana fifandraisany akai­ky amin’ny sehatry ny ha­rena an-kibon’ny tany i Fran­tsa sy i Madagasikara. Norai­sin’ny minisitry ny Ha­rena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika, Rako­tomalala Herindrainy Olivier, teny amin’ny birao fiasany Ampandrianomby, ny 8 jona teo, ny masoivohon’i Frantsa vaovao, Arnaud Guillois.
Navoitran’ny ambasadaoro frantsay ny asa nataon’ny Birao fikarohana ara-jeolojika sy ny harena an-kibon’ny tany (BRGM) sy ny rafitra samihafa. Tanjona ny hahafahan’i Frantsa manampy bebe kokoa ny fampandrosoana toekarena sy sosialy eto Madagasikara.
Ho an’ny minisitra mala­gasy, miha-matotra ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa ton­ta. Firenena nanomboka ny asa fikarohana mikasika ny harena an-kibon’ny tany eto amintsika i Frantsa. Eo koa, ny fankatoavana ny fanovana ny lalàna mifehy ity sehatra ity, ny tontolon’ny fandraharahana, ny fampiasam-bola vaventy iraisam-pirenena, ny fiaraha-miombon’antoka amin’ ny fampiofanana, ny fanatsarana ny fiaraha-miasa, sns.

Njaka A.

Partager sur: