Satan’ny mpanao politika : notebahin’ny ACS ny FES

“Fahefana avy aiza no ahazoan’ny FES milaza fa tsy tokony hatao teny faneva
amin’ny politika ny Soratra Masina? Tena fanosihosena ny soatoavina malagasy iza­ny. Kristianina avokoa ny 70% amin’ny vahoaka, ary mino an’Andriamanitra-Za­nahary an-tampon’ny loha aza ny 100%.” Io ny fanehoan-kevitry ny mpitarika ny Amicale des anciens Conseil­lers supérieurs de la transition et sénateurs de Madagascar (ACS), ny Dr Andriamaho­lison Jules, ny amin’ny satan’ ny fitsipi-pitondran-tena na­morian’ny FES ny mpanao politika.
Aminy, tsy tokony hanao sonia an’io satan’ny fitsipi-pitondran-tena io ny mpanao politika mihevitra ho kristianina. Endrika iray vaovao amin’ny fanjanahantany na fanandevozana, ataon’ny vondrona iraisam-pirenena, ny fanaovan-dry zareo an’io sata io. “Tokony hofoanana io, fa mandadilady amin’ireo vahiny ireo isika. Izay no ahasahiany manosihosy izany finoan’ny Malagasy izany”, hoy izy.

Fihaonambem-pirenen’ny FFKM
Ao amin’ny ohabolana 14: 34, ohatra: “Ny fahamarinana manandratra ny firenena”. Raha ny toerana misy an’i Madagasikara, ao ana­tin’ny fahantrana lalina noho ny tsy fisian’ny fahamarinana teto amin’ny firenena hatramin’izay. Tokony ho teny faneva raisin’ny mpanao politika aza izany. Miandry vazaha ve ny Malagasy vao afa-kifandamina sy hifanaiky ? Fotoana izao hiovan’ny toe-tsain’ny mpanao politika.
Efa hanao fihaonambem-pirenena ny FFKM. “Manino­na raha ao anatin’izay no hanao sata dia ny Malagasy no mifanaraka ao? Tena haja amam-boninahitra ho an’ny mpanao politika izany. Any no hatao izay fifanarahana izay, dia samy manaja an’izay ny tsirairay avy”, hoy ihany izy.

R. Nd.

Partager sur: