Miisa 700.000 ny mponina eto Antananarivo, miaina eny amin’ny toerana iva, mora tratry ny rano. Anisan’ny asa maika tsy miantsy hatao ny fanadiovana ny lakandrano C3. Mahatratra 115.000 m3 ny fotaka mila esorina, ary tsy maintsy hafindra toerana ny mponina mipetraka manodidina ny lakandrano. Laharam-pahamehana ataon’ny tetikasa Produir, ny fanarenana tanteraka ny lakandrano C3, mirefy 12 km. Manomboka eny Anosibe, ny tananan’ Andavamamba, 67 ha, Antohomadinika hatrany amin’ny foibe fitantanana rano eny Ambodimita. Tanjona ny hikorian’ny ranonorana tsara, hisorohona ny tondra-drano.
Mizara telo
Nampihisatra ny asan’ny Produir ny fisian’ireo sakana samihafa, toy ny trano fonenan’ny mponina, ka tsy nahafahana niasa. Nahazo fankatoavana avy amin’ny filan-kevitry ny minisitra, ny 20 avrily 2022, ny tetikasa mba hanotorana tany ny toerana hananganana trano eny Andavamamba. Mizara telo ny trano haorina, ahitana rihana iray miisa 87 no haorina amina vondrona trano miisa 29. Tokantrano 84 no hisitraka izany. Hovatsiana rano fisotro madio ity tanàna vaovao ity, tsena, fanasan-damba sns. Hajaina ny fahadiovana sy ny tontolo iainana, mba hanatsarana ny fari-piainan’ny olona mahantra sy marefo, sady ho afaka miatrika ny loza voajanahary samihafa.
Njaka A.




