Lisitry ny mpifidy : haverina eny amin’ny fokontany ireo tsy fahatomombanana

Mahatratra 57 012 ny tsy fahatomombanana amin’ny lisitry ny mpifidy, araka ny tatitry ny mpanao fitsirihana, ny herinandro teo. “Ha­verina eny anivon’ny fokontany ireo tsy fahatomombanana hanaovana fanamarinana. Tsotsotra ireo tsy fa­hatomombanana: ny laharan- karapanondro izay mam­piavaka ny lahy sy ny vavy, ny tsy fisian’ny laharana “serie””, hoy ny mpampakateny eo anivon’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly. Ha­verina any amin’ny CLRE izany. Mbola misy 20 andro ahazoana manao fanamarinana. Toy ny 20 andro ahazoan’ny olom-pirenena nisoratra anarana farany manao fanamarinana ny mombamomba azy ao amin’ny lisitry ny mpifidy.
“Ny mpiasa eny anivon’ ny boriborintany manao sora-piankohonana no mety mahatonga ny laharam-panondro mitovy hatrany am-potony, fa tsy hoe laharam-panondro iray miverina in­droa na intelo. Misy tsy mirindra ao. Mety ho olana tany amin’ny fanontana karapanondro izay lasa tsy fahatomombanana amin’ny rindrambaiko ny tsy fisiana laharana “serie”. Mba tsy hahavery ny zon’ny olom-pirenena tsy mahafantatra izay tsy fisiana “serie” izay, hankatoavina izany rehefa miverina avy any amin’ny fokontany ny lisitra.”, araka ny tatitry ny Ceni.

Araka ny lalàna

“Lalan-tsain’ny Ceni dia ny hoe: zon’ny olom-pirenena mahafeno fepetra ny voasoratra ao anatin’ny lisitry ny mpifidy. Koa soratana amin’ny lisitra hatramin’ny minitra farany, raha mbola misy olona iray mahafeno fepetra ka heverina fa tokony ho tafiditra ao anatin’ny lisitra”, hoy hatrany ny mpampakateny eo anivon’ ny Ceni.

“Mety hiteraka ahiahy be izay ho an’ny olona manararaotra hoe abosesika ao anatin’ny lisitry ny mpifidy avokoa ny olom-pirenena amin’ny fotoana farany. Izay no hampanjakana ny foto-kevitra amin’ny fangara­harana”, hoy hatrany izy namarana ny resaka.

Takina ny fanaovan’ny rehetra fanaraha-maso. Eo koa ny tsy fialàna ao anatin’ ny ara-dalàna.

R. Nd.

Partager sur: