Satan’ny mpanao politika : mbola raisina ny soso-kevitra

“Mbola mandray ny soso- kevitra sy manatsara ny sata ny ekipa ao. Hampahafanta­rina ny fotoana hanaovan-tsonia”, hoy ny sekretera jeneraly nasionalin’ny HVM, i Sambany Alain.

Nandrafitra no nataon’ ireo antoko folo nivory sy nifampizara fomba fijery ary nifandresy lahatra ny amin’ny rijan-teny. Nampafanta­rina ny antoko politika sy firaisamonina sivily izany ny 6 jona. “Tsy vitan’ny an­toko politika irery ny raharaha politika toy io”, hoy izy.

Ho an’ny HVM, tsy ma­mono ny lalàna ny sata, fa mameno ny lalàna mifehy ny fifidianana. Takiny miaraka amin’ny antoko hafa ny fanatsarana na fikitihana ny andininy mety tsy hampilamina amin’ny lalàna mifehy ny fifidianana. Efa tonga eny amin’ny Antenimiera izany amin’izao ny volavolam-panitsiana amin’izany.

Efa nisy ny fehezana fi­tsipi-pitondran-tena nosoniavin’ireo kandidà tamin’ ny fifidianana 2018. Tsy lalàna ny sata. “Izay resy lahatra ihany no manao sonia ary voafatotra amin’ izany”, hoy ihany izy.

R. Nd.

Partager sur: