Fahasoavana mitohy ny an’ny diosezin’Antananarivo. Hifanesy ny Sorona Masina fisaorana an’Andriamanitra ho an’ny eo anivon’ny fiangonana katolika.
Hotanterahina ny alahady 9 jolay izao, eny Soamandrakizay ny fankasitrahana ny arseveka, ny Mgr Razanakolona Odon, taorian’ny naneken’ny papa Fransoà ny handehanany hisotro ronono. “Fotoana io hisaorana an’Andriamanitra sy iderana azy noho ny fahasoavany nomeny antsika tamin’ny niasan’izany raiamandreny izany teto anivon’ny diosezy”, hoy ny vikera jeneraly, ny Mgr Rabenatoandro Ludovic, tetsy Amparibe, afakomaly. Mialoha izany, hotanterahina anio maraina, etsy amin’ny Ekar Antanimena ny fitsofan-drano hahaleo, hahalasana ny eveka mpanampy, ny Mgr Rakotojaona Nicolas, zanaky ny diosezin’Antananarivo. Notendren’ny papa Fransoà hiasa any amin’ny diosezin’i Morondava ny tenany. Hanana solontena hangataka ity eveka mpanampy ity ireo kristianina avy any Menabe.
Fitsenana ny arseveka Raoelison Jean De Dieu
Ankoatra izany, hotsenaina manetriketrika amin’ny faritra mampisaraka ny diosezin’Antananarivo sy i Moramanga ny evekan’Ambatondrazaka, ny Mgr Raoelison Jean De Dieu, ny 22 jolay izao. Vao notendren’ny papa Fransoà hitantana ny arsidiosezin’Antananarivo, hisolo ny Mgr Razanakolona Odon, ny tenany. Hapetraka amin’ny fiketrahana ny 30 jolay izao eny Ambohipo ny tenany. Hiara-dalana amin’izany koa ny fanamarihana ny Androm-pirenena ho an’ny ankizy “JNE”, efa fanaon’ny eo anivon’ny Ekar ka hahavory lanona ny ankizy manerana ny diosezy rehetra.
Etsy andaniny, neken’ny papa Fransoà koa ny taratasy fametraham-pialana nataon’ny evekan’i Miarinarivo, ny Mgr Randrianarisoa Jean Claude. Hitsahatra amin’ny fitantanana io diosezy io koa ny tenany. Hitantana vonjimaika izany kosa ny filohan’ny Fivondronamben’ny eveka, ny Mgr Raharilamboniaina Fabien sady evekan’i Morondava.
Synèse R.




