Tezitra ary naneho ny alahelony ny vondron’ireo olon-kendry ao Mananara Avaratra, ny herinandro teo. Anisan’ny tsy nahafaly azy ireo ny fihetsiky ny sefo distrika, Rabotohavana Florent. Nambaran’ireo mpitondra fivavahana sy ny nentin-drazana, miaraka amin’ny mpandraharaha any an-toerana fa tsy nomena hasina sy haja izy ireo tamin’ny fandraisana ny filohan’ny Repoblika tany an-toerana, ny herinandro teo. “Mba nanantena izahay fa handaha-teny ho fandraisana azy amin’ny fomba betsimisaraka avaratra. Eo koa ny hisarihana ny sain’ny mponina mba tsy hametraka ahiahy na ho tezitra amin’ny mpitondra, manoloana ny fitotongan’ny vidin’ny lavanila. Eo koa ny tsy mbola fahavitan’ny lalana RN5, tapany faharoa”, hoy izy ireo. Tsy tanteraka anefa izany fikasan’izy ireo izany na efa teo aza ny fifampiresahana tamin’ny arofenitry ny filoha, nialoha lalana tany an-toerana. Efa tonga tany amin’ny filoha Andry Rajoelina rahateo ny handraisan’izy ireo fitenenana.
Nametraka ny sefo distrika amin’ny toerany
Niandry ny fanasana azy ireo manokana ireo olobe ireo ny 3 jona, handaminana farany ny hatao. Tsy afa-nanoatra intsony anefa izy ireo fa efa tamin’ny 9 ora alina vao tonga izany fanasana izany.
Etsy andaniny, nahatsiaro ho voa mafy koa ireo mpandraharaha any an-toerana. Efa nanolotra fiara maimaimpoana ho an’ny delegasionina vahiny nefa izao tsy nomena hasina izao. “Izahay no nametraka ny sefo distrika amin’ny toerana noho ny tsy mety nataon’ny teo aloha. Izao anefa no ataony amin’ireo olobe, tokony ho fakan-kevitra eto an-tanàna”, hoy izy ireo.
Sajo sy i Synèse R.




