Ramamimampionona Gérard : “Mba tsy hisy ambadibadika ny sata fitsipi-pifehezan-tena”

“Mba hatao mazava ny fi­tsipi-pifehezan-tena ary hanaraka izany tsara ny rehetra, rehefa hoe hifanandrina amin’ ny fifidianana. Zava-dehibe izay, ary tokony hazava dieny mialoha ny zava-drehetra. Mba tsy hisy ambadibadika ihany koa izay, ka hiteraka tsy fifampahatokisana na fisaratsarahana na sanatria misy ady anatiny indray hoe ny sasany voaray ary ny hafa tsy voaray.” Io ny fanehoan-kevitry ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard, momba ny fanaovana ny satan’ny fipitsi-pitondran-tena ho an’ny antoko politika mialoha ny fifidianana.
Tokony ho vitan’ny samy Malagasy ny toy izany. Ny samy Malagasy no manam-piniavana hitarika sy hifampitarika amin’izany. Tsy hoe omen-danja rehefa ny avy any ivelany no mitarika, fa tsy mety rehefa samy Malagasy. Mariky ny fitiavan-tanindrazana izany.
Tsy ratsy, ilaina ny sata

Tsy hoe ratsy ny fanaovana an’izany sata iombonana ho amin’ny fitsipi-pitondran-tena ho an’ny antoko politika izany. Iombonana izany ka ny rehetra no tokony hanam-piniavana ao anatin’izany ary tsy misy fifanilihana, indrindra ho an’ireo heverina hifaninana amin’ny fifidianana.
Ilaina ny sata fitsipi-pitondran-tena, fa misy tsy voalazan’ny lalàna indraindray. Tsara ho fantatara sy arahin’ny rehetra koa izay voalazan’ny lalàna. Hitan’ny rehefa fa misy fifehezan-tena koa ny fanaovan-tsonia imasom-ba­hoaka an’izay sata izay. Mitarika fitonian-tsaina sy fitonian’ny fiarahamonina ary amin’ny raharaha hatao rehetra, indrindra ny fifidianana, ny fahavononan’ny tena hiro­tsaka amin’izany.

R. Nd.

Partager sur: